Nifampitàna indray ny mpivarotra sy ny polisy monisipaly tetsy Analakely omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora teo ho eo. Taorian’ny fandraofan’ireo polisy monisipaly ny entan’ireo mpivarotra manamorona ny làlana dia velona indray ny tora-bato sy ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Nanao tifi-danitra ny polisy hanaparitahana ireo mpivarotra ka telo tamin’ireo tavela no voasambotra. Avy hatrany ireto farany dia nalefa nanaovana fanadihadiana teny amin’ny « Commisariat central ». Etsy ankilany, tsy nilefitra tamin’izao ireo mpivarotra namany fa tonga teny an-toerana ihany nanatanteraka « sit-in » manoloana ny « Commissariat central » mba hitakiana ny hamoahana ireto telo lahy voasambotra. « Tsy mpangalatra izahay tompoko, ary tsy mpanongam-panjakana fa mpivarotra madinika sahirana mitady ny haninay anio. Koa mangataka am-panajana izahay ny hamoahana tsy misy fepetra ireo namanay nosamborina sy notàzomina ato », hoy ny mpivarotra iray, vavolombelona nanatri-maso. Nisy tamin’izy ireo no nanamarika fa tsy ny mpivarotra velively no nitora-bato fa ireo mpandalo izay nalahelo ny zava-nisy. « Izahay tsy nitoraka fa mitaky ny zonay. Nangalana 10.000ar izahay tamin’ny volana janoary mba hahazoanay mivarotra, nefa dia enjika lava hoatr’izao no mihatra aminay. Sady tsy vitan’izany fa ampiharana herisetra izahay sady endrikendrehana ho mitondra antsy. Hatramin’ny Baiboly hitsahin’ireo polisy ireo. Mangataka izahay, ajanony ny jadona fa samy mba mitady vola na ny mpivarotra na ny polisy » hoy kosa ny fanambaran’i Bakira, solontenan’ny syndicat-ny mpivarotra. Taorian’ny fanadihadiana ireto mpivarotra telo lahy ireto moa dia mbola tazomina amin’ny toerana tsy fantatra izy ireo, raha ny vaovao voarainay hatrany. Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ny raharaha.
Niony H.