Tsy liana amin’ny zava-niseho akory fa kosa firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy no nahatonga an’ireo nitangorona. Entina hanasarotana ny asan’ny mpitandro ny filaminana.
Asabotsy, tamin’ny telo ora sy sasany hariva, nirefotra indroa ny basy. Izay vao nikoropaka ireo olona ka naka sisiny nanavotra ny ainy. “Nahazo vaovao izahay, avy amin’olon-tsotra ny amin’ny fisian’ny mpanendaka eo amin’ny manodidina ny firaisana voalohany” raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny pôlisy. Nidina teny an-toerana ireo nanamarina ary iny tokoa fa nahatsikaritra mpanendaka iray teo am-panatontosana ny asany mihitsy. Raikitra ny fanenjehana ary rehefa voasambotra ilay olona dia nitangorona indray ny olona. Raha ny fijerin’ireo mpitandro ny filaminana dia efa paika entin’ireo mpanendaka hanamoràna ny asany izany. Efa sipasipan’ireo, na koa mpiray tendro aminy, ny ankamaroan’ireo mpivarotra amoron-dàlana ary rehefa misy ny fisamborana dia mody mitangorona mba hanasarotàna an’izany. Vokatr’izany dia voatery tsy maintsy nampiseho hery ireo pôlisy nanatontosa ny asany. Nanao tifi-danitra indroa, izay vao nisokatra ny làlana teo Analakely. Endrika iray mampiseho izany fa efa manana rindran’asa ihany koa ny jiolahy eo amin’ny boriborintany, izay avokavok’Antananarivo. Misy ny firaisana tsikombakomba izay noheverina tany am-boalohany fa eo amin’ny samy jiolahy, saingy noporofin’ity tranga tamin’ny asabotsy antoandro ity fa ny mpivarotra koa dia efa misy miray tendro amin’izy ireo amin’ny fanatontosana izany asaratsy izany. Ankoatra izay dia misy ireo manao andiany ary ny zazakely no ampanaovina ny fisintonana. Raha vao mamaly na manenjika ilay olona dia miditra amin’izay ireo olon-dehibe mpiaro azy. Karazany maro ny endrika fanendahana ary misy endrika firaisana tsikombakomba hatrany izany, eo Analakely. Ny ankamaroan’ireo mpanao ratsy efa mpamerin-keloka avokoa ary tsy matahotra izany Antanimora izany intsony.
D.R