- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAnalakely : Nirehitra ny trano fitehirizana entan’ny « Le Glacier »

Analakely : Nirehitra ny trano fitehirizana entan’ny « Le Glacier »

Tamin’ny efatra ora sy sasany, omaly, no taitra tampoka ny olona raha nahita firehetana tao amin’ny trano iray tetsy Analakely. Rehefa nohamarinina dia trano fitehirizana entan’ny « Le Glacier » izy io. Herinaratra nifandray, na « court-circuit », hatreto no heverina fa nitarika ny loza. Maro ny entana kilan’ny afo tao. Na izany aza anefa dia vetivety dia voafehy ihany ny afo rehefa tonga teo an-toerana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna, tsy dia mifanalavitra loatra an’Analakely. Na izany aza anefa dia sahirana ihany ny mpamonjy voina indraindray, toa ny omaly, noho ny tsy fisian’ny fantson-drano (bouche d’incendie). Tsy maintsy izay rano entiny amin’ny kamiaony ihany no ampiasaina noho ny fahasimban’ireny fantson-drano izay misy isaky ny kartie ireny. Vokatr’izany, raha lany ny rano nentina dia tsy maintsy mamatsy indray, na koa manafatra kamiao hafa. Tsy mba nisy mihitsy ny drafitr’asa mba ho fanarenana ny fantson-drano teto an-drenivohitra. Ekena fa ny fako sy ny loto aloha no tena laharaham-pahamehana. Fa ny firehetana ihany koa rehefa mitranga dia mety mbola ambony lavitra noho ireo ny afitsony. Indrindra amin’ity Antananarivo feno fanamboarana tsy ara-dalàna ity, hany ka lasa mivongovongo ny trano fonenana, na ny elakelan-trano aza zara raha misy.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser