Nisahotaka ny olona teny Analakely tamin’ny alatsinain’ny paska teo. Tokony ho tamin’ny 3 ora tany ho any, niely mantsy ny feo fa hoe nisy baomba nipoaka hono teny amin’iny faritra iny. Vetivety foana dia toa nadio ny làlana. Ireo fiara nivezivezy samy nitady lalana nandosirana avokoa. Ireo mpandeha an-tongotra, samy nitsoaka nihazo ny làlana tandrify azy. Saika nisy lozam-pifamoivoizana mihitsy, hoy ireo mpamily sendra io resaka io teny an-toerana. Vory olona tokoa Analakely tamin’ny fotoana nisian’ity karazana tsaho ity. Maro mantsy ny olona no tsy mandeha lavitra rehefa alatsinain’ny paska fa manao ho ampy azy sy ny fiankaviany ny eny afivoan-tanàna hitondrana ny ankizy hitsangantsangana. Tsy fantatra na niniana naely izy io na nahare ny fidoboky ny afomanga teny Mahamasina ny sasany dia nanitatra ny resaka. Dia sahala ny tsaho vohizina rehetra, niova izany rehefa tafavoaka avy eny Analakely ny mpamily fiara sasany. Nisy mantsy ny avy hatrany dia namefy ny olona tsy handeha any fa hoe : « misy tifitifitra be ao ». Azo takarina ao an-tsaina avy hatrany fa efa lasa be tebiteby ny rehetra amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny nahafantarana ny fipoahana baomba tany ivelmany tany. Lazaina amin’izany ny tany Bruxelles izay nahafatesana olona hatrany amin’ny 34 sy naharatrana marobe. Vao omaly, notaterin’ny vaovao avy any ivelany ny fipoahana niniana natao nafahaty olona tany Afghnanistan, sy ny sisa rehetra vokatry ny herisetra miseho etsy sy eroa maneran-tany. Tena manara-baovao ny olona amin’izao fotoana izao ary dia lasa misy ny tebiteby sy ahiahy, lasa tsy hay esorina ao an-tsaina.
r.s.