- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Nivoaka ny « bigboss » sy basy

Analakely : Nivoaka ny « bigboss » sy basy

Niaraka teo ihany ireo fiara roa. Samy nisy olona efatra avokoa tao anatin’ny tsirairay. Saingy tsitapitapitr’izay dia raikitra ny fifamaliana teo amin’ny andaniny sy ankilany. Nivoaka ny iray tao anatin’ny iray tamin’ireo fiara ary nitifitra avy hatrany tamin’ny bigboss ireo tao anaty fiara mifanila taminy. Jenjina avokoa ny iray fiara ary nivoaka. Niakatra ny hatezerana ary tao anatin’izay dia nivoaka indray koa ny basy, avy tao anatin’ilay fiara faharoa. Niezaka ny namahana an’izany ny olona iray saingy tsy tontosa izany satria mbola jenjina raha ny fijery azy. Tafaporitsaka ilay fiara nentin’ny andaniny na dia voadaka sy niharan’ny hatezeran’ireo olon-kafa aza mandra-pitsoakany. Nisy pempo maro raha araka ny fijery azy. Fotoana fohy taorian’izay dia niverina niaraka tamn’ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana teo amin’ny toerana niaingany ilay fiara nitsoaka. Tamin’io anefa dia efa tsy nisy teo intsony indray ilay tao amin’ny ankilany. Inona no zava-nitranga ka nitarika ny fifandirana ? Hatreto dia ireo roa tonta ihany aloha no mahafantatra an’izany. Mitondra ny laharana vahiny ny iray tamin’ireo fiara ary vao tonga mihitsy raha ny fijery azy. Misy ifandraisany amin’ny varotra fiara ve ? Ary avy aiza ihany koa ny basy teny an-tananan’ny sasany ? Nikoropaka Analakely raha nahita ny zava-nitranga…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser