- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : « Pavillon » roa may kilan’ny afo

Analakely : « Pavillon » roa may kilan’ny afo

Nisehoana fahamaizana indray ireo « pavillon » teny Analakely, omaly maraina tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any. Tsena roa be izao no indray levon’ny afo. Saika lasa lavenona avokoa ireo entana rehetra tao amin’ireo tsena ireo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra. Manakaiky ny fety, feno olona avokoa ireo tsena isan-karazany, indrindra fa ny teny Analakely, eny fa na dia vao maraina aza. Hatairana tsy misy toa izany an’ireo olona marobe sy ny an’ireo mpivarotra teny an-toerana, raha nahita ity setroka be nivoaka avy tamin’ny tafon’ireo trano kely ireo. Fotoana fohy avy eo, niredareda ny afo tao amin’ireo mpivarotra roa nifanakaiky tao an-toerana. Nisavoritaka ny olona. Tetsy andanin’izay, niolomay namoaka ny entany avokoa ireo mpivarotra sasany nahita izany. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny afo. Araka ny filazan’ireo teny an-toerana, dia toa hoe « court-circuit » no nampirehitra ireo trano fivarotana ireo. Fotoana fohy taorian’ny nitranganan’ny fahamaizana dia tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina nifehy ny afo tsy hiparitaka. Ary tao anatin’ny minitra vitsy monja dia maty ny afo. Na izany aza, tsy azo noraisina intsony ireo entana rehetra, izay mitentina an-tapitrisany maro tao anatin’ireo fivarotana ireo. Ny tsy fetezana amin’ny lafin’ny fanamboarana ny tariby mitondra herinaratra mazana no saika matetika ahitan-doza ka mahavery fananana toa izao. Efa tranainy rahateo ireo « pavillon » ireo ka mety tsy araka intsony ny fanavaozana izany ary tokony hilàna fijerena ifotony mihitsy, raha tena izay « court-circuit » izay tokoa no nahatonga ity loza ity. Fa na izany na tsy izany, tokony hitandriana foana ny tsirairay, amin’izao andro maina sy mafana izao, izay antony mahabetsaka ny hain-trano.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser