- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Ramatoa vao avy nanakalo « devise » voaroba valo tapitrisa...

Analakely : Ramatoa vao avy nanakalo « devise » voaroba valo tapitrisa ariary

Nitsoaka tany an’elakelan-trano teo Ambofidilao ireo olon-dratsy nony avy eo (sary tahiry)
Nitsoaka tany an’elakelan-trano teo Ambofidilao ireo olon-dratsy nony avy eo (sary tahiry)

Amin’ny andro antoandrobe nanahary no niharan’ny herisetra ny renim-pianakaviana iray. Tokony ho tamin’ny 11 ora teo izy, omaly, no tonga tao amin’ny hotely lehibe iray eo ampovoan’Analakely ary nitondra vola vahiny. Natakalony tao ireo vola ary nandeha an-tongotra tsimoramora izy nony avy eo. Teo anefa no nitranga tamin’izay ny fanafihana. Telo lahy no indray nanaraka azy. Ny roa nikasi-tànana sy nanosika azy nitrosona tamin’ny tany. Vokatr’izany dia naratra mafy ilay ramatoa ary votsotra ny vola teny aminy. Ny jiolahy fahatelo farany kosa dia niambina avy ato aoriana ary nandrahona ireo olona izay saika mba hiaro azy avy hatrany. Toy ny mahazatra rahateo dia vitsy ny olona sahy miditra an-tsehatra rehefa amin’ny toe-javatra toy izany. Mazava ho azy fa nanamora ny asan’ireo olon-dratsy izany. Isan-kerinandro izany dia misy hatrany ny fanendahana amin’ny andro antoandro eo Analakely tato ho ato. Isan’ny niharan’izany, raha tsiahivina kely, ny kolonely iray izay vao avy naka vola tao amin’ny banky ka nitondra ny zafikeliny nandehandeha sy niantsena. Efa teo amin’ny fiandrasana “bus”, ary teo imason’olona, no nisy nanendaka. Io ihany koa dia amin’ny antoandrobe no niseho. Lasa ny entana vao novidiana sy ny vola rehetra tao anatin’ny fitoerany. Izany rehetra izany dia midika fa efa misy manara-maso ihany koa ny fiveziven’ny vola eo am-povoan-tanàna eo, indrindra ireo izay mandeha banky sy manakalo vola vahiny. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia midika ireo tranga roa ireo fa efa voarindra tsara ny asan’ny jiolahy eo Analakely.  Mbola miditra an-tsehatra ao anatin’izany ihany koa ireo zazakely izay misy manofana manendaka ary arovan’ireo zokiny rehefa mitranga ny asaratsy. Efa maro ihany no voasambotra saingy tsy ela ny ankamaroany dia efa miverina eo an-kianja indray, miverina manao saka sy voalavo amin’ny mpitandro ny filaminana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici