Rehefa asesiky ny asa ratsiny tokoa ireo tontakely, tsy mifidy intsony fa izay voarain’ny tànany dia efa entiny hamelezana ireo lasibatra. Toy ny nahazo ity rangahy iray teny amin’iny faritra Analakely iny, ny faran’ny herinandro teo. Mpanendaka roalahy no avy hatrany dia nanatona azy, ary tsy nisalasala nively tamin’ny tavoahangy ny lohany. Nitambotsotra ary tsy nahatsiaro tena avy hatrany ity rangahy ity ka mora tamin’ireo mpanendaka no naka ny vola sy ny findainy teny aminy. Tamin’io fotoan io anefa no sendra ny pôlisy nanao fisafoana ireto olon-dratsy. Raikitra teo ny fanenjehana ka tsy lasa lavitra dia voasambotra izy roalahy ireto, ary nentina nanaovana famotorana. Ilay olona naratra kosa dia nezahina nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. “Niaiky ny heloka vitany moa izy roa lahy ireto ary dia efa natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy roa lahy ireto”, hoy ny vaovao.
m.L