Misy ny rafitra mipetraka amin’ny fangalana fitoeran’ny fiara (parking), saingy tsy miaro ny fiara akory ireo olona izay maka ny saran’izany izay mirotsaka any amin’ny kitapom-bolan’ny rafitra mifandraika amin’izany. Vokatr’izany dia lasa mandoa vola in-droa ny olona satria mbola manome kely ireo mpiambina fiara fotsiny indray. Rehefa tsy manome dia avelan’ireo fotsiny eo ary jereny fotsiny raha sendra misy migafy na mangalatra aza ny entana ao anatiny. Izany no iainan’ny olona izay mitondra fiarakodia ka mba miantsona eo Analakely. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia nisy ny fanaraha-maso izay nataon’ny pôlisy ary nisy ny tratra ambodiomby teo am-pamakiana fiara. Ny nahatalanjona, dia adolantsento izay 12 ka hatramin’ny 17 taona izy ireo. Misy efatra ireo voasambotra ary isan’ny nohazavain’ireo tamin’ny fakàna am-bavany nataon’ny pôlisy, ny fisian’ny olon-dehibe izay miray tsikombakomba aminy. Ao ohatra ny mpanafina ny entana ary ao koa ny mpivarotra izany faran’izay haingana eny Isotry. Efa voasambotra ny iray tamin’ireo mpiray petsapetsa amin’ireto adolantsento ireto. Efa hain’izy ireo ny mamoha ny fiara amin’ny alàlan’ny fitaovana izay omena azy ireo. Toa efa nofanina mihitsy aza ireo, satria tena voafehiny ny fanafenana ny asaratsiny (famahana ny varavaravana) sy ny fanakonana ny namany izay miditra ao anatiny ary maka izay azo alaina : autoradio, sakaosy sns. Tamin’ity tranga ity, dia kojakoja eletrônika no azon’ireo olon-dratsy ary efa tongan’ny mpiray tsikombakomba amin’ireo tetsy Isotry, tao anatin’ny fotoana fohy mba hamidy. Isan’ny nivoaka tao anatin’ny fihainoana ireo adolantsento, fa mbola miray tsikombakomba amin’izy ireo koa ny mpivarotra labiera mandehandeha eo an-toerana. Mandalo amin’io ny entana izay azo, dia tonga any amin’ny mpivarotra azy eny Isotry. Eny koa dia efa misy mpandray ny entana. Midika izany fa miasa anaty tambajotra ity ekipa mpanao ratsy ity ary efa samy manana ny asany izy ireo amin’ny fanatontosana izany. Ny vahaolana izany hatreto, dia ny manome kely hatrany na dia hita aza fa mavesatra ho an’ny mpampiasa fiara ihany izany, satria sady mandoa parking no mbola “mitoraka kely” ihany koa ho an’ny mpiambina.
D.R