- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Roalahy mpanendaka tratra teny amin’ny « Petite vitesse »

Analakely : Roalahy mpanendaka tratra teny amin’ny « Petite vitesse »

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisy avy etsy amin’ny Komisaria ny Boriborintany Voalohany Analakely manoloana ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriam-pahalemana ary ny fitarainana ataon’ny olona tonga ao amin’ny Kaomisaria. Mandray ny andraikiny ny polisy ka nanamafy ny fisafoana. Misy mandeha Fiara, ny mandeha an-tongotra ary ny manao fanamiana sivily amin’ireo faritra mafampana sy ahazahoana fitarainana matetika. Nahita vokany ry zareo tamin’izany raha nandeha teny amin’ny « Petite Vitesse » tamin’ny herinandro lasa. Vokany, roalahy no tratra ambodiomby nanendaka tamin’ny 2 ora. Saika hangarom-paosy izay ireo no tra-tehaky ny mpitandro filaminana. Efa narahan’ireo polisy nanao fanamiana tsotra ry zalahy ireto. Tsy afaka nihetsika intsony.

Rehefa natao famotorana izy ireo dia niaiky ny heloka vitany ary dia nanondro an’ireo olona izay fivarotan’izy ireo ny volamena izay azony tamin’ny hendaka. Nanomboka teo ny fisamborana an’ireo rehetra voakasik’ity asa fanendahana ity. Tamin’ny sabotsy ry zalahy tratra ireo no natolotra ny Fampanoavana ary dia nisy ny nalefa any am-ponja vonjimaika.

Marihina fa efa mpamerina heloka izy roalahy ireto sady efa malaza ratsy amin’ny asa fanendahana ary efa tena maro mpahalala.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser