Tsy fantatra izay niseho tao amin’ny ity fivarotana iray tetsy Analakely, omaly, fa raikitra ny totohondry teo amin’ny samy sinoa tao amin’io toerana io. Vokany, nandrika ny rà teo akaikin’ny varavarana fidirana ary hita ho voa mafy tokoa ny iray tamin’ireo nifandramatra. Vaky ny lohany ary nitsirara tamin’ny tany tsy naharay tena izy. Nitangorona ny olona nijery izany. Izay nahatonga azy ireo niady, tsy nisy nahalala. Rehefa nandeha nitady vaovao teo anivon’ny mpitandro filaminana izahay, nilaza ry zareo fa tsy naharay tatitra na fitarainana mikasika io ady io.
r.s.