- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Sinto-mahery sy harom-paosy, olona 10 voasambotra

Analakely : Sinto-mahery sy harom-paosy, olona 10 voasambotra

Mitohy tsy mijaona ny ezaka ataon’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany etsy Analakely hamongorana ny asan-jiolahy eny amin’ny faritra iny. Natao ny hetsika manokana ny faha-9 febroary teo ka olona folo no nosamborina teny amin’ny “Petite vitesse”, “Esplanade”, Soarano ary eny amin’ny fihantsonan’ny taxi-be 119 Ambohijatovo. Rehefa nohadihadiana ireo voasambotra dia nanambara fa rehefa tsy mahazo zavatra izy ireo ny antoandro dia mandeha mamaky trano amin’ny alina. Ireto andian’olona ireto dia mampitondra faisana ny mpiantsena amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo. Misy namany hafa koa, izay mpandray ny halatra ataony ary dia natoron’izy ireo ny toerana misy azy. Marihina, hoy ny vaovao, fa ankoatra ny maha mpandray halatra an’ity farany ity dia anisan’ny mpanao sinto-mahery ihany koa izy io. Nanome fanampim-panazavana moa ny komisera Rabenandrasana Jean Marcel fa mitohy hatrany ny hetsika sy ny ezaka manokana amin’ireo faritra malaza ratsy ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser