Nisahotaka andro alina indray teny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny ny alin’ny alarobia lasa teo. Raikitra indray ny fanesorana sy fanenjehana ireo mpivaro-tena izay mbola mafiloha sahy mijorojoro eny amin’iny Araben’ny Fahaleovantena sy ny faritr’i Tsaralalàna iny. Niafara tamin’ny fisamborana mihitsy izany, raha ny tazana teny.
Miroso tsikelikely amin’ny fampianarana ny olona hanaja ity fitaratry ny Renivohitra ity tokoa ny tompon’andraikitra. Nanomboka tamin’ny fanalàna tsikelikely ireo mpivarotra enta-madinika sy zava-pisotro izany ary izao tonga amin’ny fanesorana ireo tovovavin’ny alina mpijorojoro eny an-toerana. Nahatratra am-polony maromaro tany ho any mihitsy izy ireo, izay voatery nentin’ireo mpitandro filaminana. Heverina fa tsy maintsy handany ny aliny iray manontolo anaty tranomaizina kely.
Amin’ny toe-javatra toy izao toa izao tokoa dia mazàna halaina am-bavany fotsiny izy ireo ary hampodiana ny maraina, ankoatr’ireo izay hita fa nandika lalàna ka tsy maintsy hanokafàna fanadihadiana ary mety hiafara amin’ny fanolorana azy eny anivon’ny Fitsaràna. Marihana fa ny lalàna eto amintsika dia tsy mbola mandrara ny fivarotan-tena akory saingy ny fijorojoroana eny an-tsisin-dalana miharo fihantsiana hiray ara-nofo, fampisehoana toetra mamoafady imasom-bahoaka, ny faneràna olona hivaro-tena … ireo no tafiditra ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana.
m.L