- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Tanzaniana nahatrarana « cocaïne” 13 gr saika hamidy

Analakely : Tanzaniana nahatrarana « cocaïne” 13 gr saika hamidy

Teratany tanzaniana iray no tra-tehaky ny polisy miady amin’ny fihanahan’ny zava-mahadomelina, teny Analakely ary nahatrarana  rongony mahery vaika “cocaïne” milanja hatrany amin’y 13 gr. Lehilahy tokony ho  30 taona eo ho eo izy io ary fantatra fa monina eny amin’ny 67 Ha. Tamin’ny fisavana natao azy no nahitana io karazana rongony mahery io; izay nafeniny tany anaty silipony.

Vaovao avy tamin’olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny polisy ny fisian’io olona io. Rehefa nohadihadiana izy, dia fantatra fa efa ho folo taona mahery no nahatongavany teto Madagasikara. Ireo “drogue” tratra tany aminy ireo dia nolazainy fa hamatsiany ireo vahiny monina sy mandalo eto an-toerana ary efa sivy taona no nanaovany an’izany. Nanampy ny anao lahy fa Gambianina no fividianany ireo “cocaïne” ireo, 80 000 Ar ny grama iray ary hamidiny 140 000 Ar izany avy eo. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa, efa nigadra teny Antanimora ity lehilahy ity noho ny resaka zava- mahadomelina ihany. Ny tena mahavalalanina ny mpanara-baovao dia    tsy manana taratasy ahafahana mipetraka eto Madagasikara ity Tanzaniana ity. Ka na dia efa avy nigadra aza izy, dia iny mbola hita mandehandeha mivarotra eny Analakely eny foana. Asa na nisy ny fepetra noraisina nikasika azy na tsia. Raha ny marina tokony ho efa nalefa nody any aminy izy io. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity lehilahy ity.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici