- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Taxi-be nivadika, maty tsy tra-drano ny mpamily

Analakely : Taxi-be nivadika, maty tsy tra-drano ny mpamily

Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina no niseho teo Analakely, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Taxi-be iray no nivadika ambony ambany rehefa avy nandona taxi iray teny an-toerana. Vokany potika tanteraka ireo fiara roa. Maty tsy tra-drano voatsindrin’ilay fiara nivadika kosa ny mpamilin’ilay  taxibe. Araka ny fantatra dia efa tsy nitondra olona intsony ity farany ary efa an-dàlana hody. Tokony ho tany amin’ny 12 ora latsaka kely tany ho any no nisehoan’ity loza ity. Raha ny fanazavàna azo dia toa hoe avy nisotrosotro teny an-toerana ny mpamily nitondra ilay taxi-be, ary nandeha mafy dia mafy, nihazo ny lalana ho any Andohan’Analakely iny. Tsy fantatra teo ny zava-niseho, na olana ara-teknika tamin’ilay  fiara na ilay mpamily no efa natory sy mamo fa nandeha tsy tany amin’ny lalana tokony ho izy ilay fiara fa nahazo ny sisin-dàlana loatra. Rehefa avy nandona ilay fiara 4L nijanona teo amoron-dàlana dia nihainga ny kodiarana ary nivadika nony avy eo. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa nivaha tampoka ny varavarana teo amin’ny mpamily, izay angamba tsy nihidy tsara ary nipitika vokatry ny dona sy ny fivadihana ny mpamiliny. Niafara tany ambanin’ny fiara ity farany ary dia maty voatsindry tao. Tsy naninona kosa ilay mpanampin’ny mpamily niaraka taminy, ary torak’izay ihany koa ireo olona tao anatin’ilay fiarakaretsaka voadona. Efa tonga teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza moa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny nijery sy nizaha ifotony ny zava-nisy. Naterina teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly kosa ilay mpamily namoy ny ainy rehefa avy nosokirina tao ambanin’ilay korontam-by.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici