- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Teratany nahatrarana devizy sandoka, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Analakely : Teratany nahatrarana devizy sandoka, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Saika raikitra indray ny sakoroka, ny sabotsy, teo teny Analakely. Teratany afrikana roalahy no saika nanakalo devizy sandoka, 50 euros teny an-toerana. Romotra tamin’izany ny olona ka efa vory lanona saika hamono ireto mpitondra vola sandoka ireto. Tamin’io fotoana io no nisy pôlisy roalahy tsy nanao fanamiana, tsy nisalasala nandray ny andraikiny. Nandamina ny olona ary nitondra ireto teratany liberiana roalahy ireto tany amin’ny kaomisaria tetsy Tsaralàlana. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana, dia mbola nahitana vola « euros »  21 tany amin’izy ireo. Nilaza anefa izy ireo,fa vola tena izy ireo fa tsy vola sandoka velively tao anatin’ny famotorana azy roalahy ireto. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy roalahy ireto. Ary araka ny fantatra dia naverin’ireo mpitsara mpanao famorotana fotsiny anefa, fa hoe mbola tsy maintsy hamarinina eny amin’ny Banky foibe ireto devizy ireto na tena izy marina na tsia. Raha ny fanazavana azo mantsy dia nohamarinina tamin’irony milina mpamantatra vola sandoka irony izy ireo, fa tsy izy. Etsy andanin’izay, ny mombamomba an’izy roalahy ireto ihany koa dia mbola mampiahiahy. Raha ny nambaran’ireo mpisambotra sy nanao ny famotorana mantsy dia tsy manana taratasy mazava akory ny iray tamin’izy ireo. Ilay namany iray indray kosa dia efa nisazy teto amintsika, noho ny resaka fampiasana hosoka ihany. Raha ny vaovao azo hatrany dia toa hoe ny hivarotra sy hibizina ireto vola devizy « sandoka» ireto mihitsy no antony nahatongavany teto Madagasikara. Ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana ihany koa milaza fa hosoka avo lenta avy any am-pitandranomasina izy ity. Ireo mpitandro filaminana manamafy araka izany fa sandoka ireto vola ireto, mbola misalasala kosa anefa ny mpitsara izay nalorona ny raharaha. Sa ve hoe tena avo lenta tokoa ilay hosoka fa fanina sy voambaka hatramin’ny fitsarana ? Asa fa ny fihevitry ny rehetra aloha dia hoe misy raha tsy mazava indray mihodina any ambadika any. Toy ny mahazatra hatramin’izay ihany e

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici