Horakoraka tsy nifandrenesana, tsoka anjombona, izany no re teny an-toerana, omaly
Omaly vao maraina koa, tsy nisy mpivarotra teny Analakely eny amin’ny Arabe aty ambadiky ny Mairie. Voarara tokoa mantsy ny fivarotana eny amin’iny faritra iny izay voalaza fa manelingelina ny fifamoivoizana ary tsy maintsy miala ireo manembatsembana izany. Etsy andiny kosa anefa, olona maro dia maro no tonga naneho ny tsy fahafaliana nirohitra niatrika ny Lapan’ny Tanana. Nianatrana teo anoloan’izany ireo polisy avy ao ao amin’ny kaominina, tony dia tony, nefa hentitra raha ny fahitana azy ireo. Niakatra avy hatrany feo. Re tetsy sy teroa fa tsy hanaiky izao fanesorana azy amin’ny toerana hivarotany izao ireo olona marobe. Niampy izany nanao hoe, ho aiza izy ireo no hivarotra amin’izao ankatoky ny Fetim-pirenana izao? Dia raikitra ny tsoka farara vita sinoa, izay marihina fa tena maneno mafy tokoa. Ankoatra ireo nanenitra ny lapan’ny Tanana anefa, nisy andian’olona, nilanja soram-baventy nirohitra nandeha namakivaky ny lalana. Kiaka tsy nisy nifandrenesana tamin’izany nitaky ny voalaza “fa tsy rariny”. Niala teny Analakely izy ireo, nihazo an’I Soarano, nidina tany Behoririka. Ny tsoka farara tamin’izany tsy nifandrenesana. Tamin’ny akapobeny, naneho ny tsy fahafaliana ireo olona ireo. Teo anolonan’ny Mairie, ankoatra ireo polisy kominaly, efa nisy koa ny avy amin’ny Emmo-Reg vonona ny hiatrika izay mety ho fihoaram-pefy. Na izany aza naefa, nisy fivarotana iray teny Analakely nikasa ny hamoha ny tranom-barotra saingy tsy tanteraka izany satria saika norotahan’ny olona. Nisy ihany ny fihoram-pefy madinika fa tsy lasa lavitra izany. Ny hany voamarika, tsy nisy fivarotana nivoha intsony teny Analakely sy Behoririka, omaly. Taty amin’ny faritry ny “pavillon” kosa anefa dia afaka nisokatra avokoa ny fivarotana.
Teo anatrehan’izany zavatra izany, voalaza fa nisy ny dinika natao teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, omaly izay afaka nandraisna ny marimaritra iraisana. Fantatra fa amin’ny faha- 27 jona vao hampiariny indray ity fanalana ny mpivarotra ity.
Nangonin’I r.s.