- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Toeram-panamboarana finday voaroba, mitentina any amin’ny 16 tapitrisa ariary ny...

Analakely : Toeram-panamboarana finday voaroba, mitentina any amin’ny 16 tapitrisa ariary ny very

Tovolahy iray no voasambotry ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely, ny andron’ny krismasy lasa, tany amin’iny faritra Anjozorobe iny. Ity lehilahy ity dia voarohirohy tamina resaka fandrobana toeram-panamboarana finday etsy Analakely, nitranga ny talata lasa teo, araka ny fanazavana nomen’ny lehiben’ity kaomisaria ity. Entana maromaro, toy ny : solosaina fentin-tanana, fitaovana fanamboarana finday maromaro ary finday isan-karazany no voaroba tao amin’io toerana io, izay voalaza fa mahatratra hatrany amin’ny 16 tapitrisa ariary any ho any ny tetim-bidin’ireo. Raha ny vaovao azo :  « nisy nametraka fitoriana tao amin’ny CSP 1 Analakely, nanambara fa nangalarin’ny mpiasany tao amin’ny trano fonenany ny entana maromaro fanamboarana finday. Entana toy ny finday amin’irony avo lenta irony maromaro, ordinateur marika Hp 02, disque a dure 06, box decodage  11, flash disque maromaro ary modem maromaro ». Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana ary niroso tamin’ny fikarohana ilay mpangalatra. Fantatra, fa olona mipetraka tany amin’iny faritra Anjozorobe iny ilay tovolahy ka dia nidinana avy hatrany tany. Mbola tratra tao amin’ny fokontany Ambararata, kaominina Amparatanjona, distrik’Anjozorobe moa ity tovolahy ity, raha nikasa ny handeha handositra hihazo an’Ambatondrazaka. Marihana, fa nitsofoka an-tsokosoko tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy izy ny marainan’ny talata teo. Tsy nisy nandre ny fidirany tao amin’io trano io. Vao azony ireo entana sarobidy ireo dia namonjy taxi-brousse teny Ambodivona ny lehilahy ary nihazo ny toeram-ponenany tany Anjozorobe ary dia io voasambotra io. Mbola tra-tehaka tao an-tranony avokoa moa ireo entana nangalariny ankoatra ny finday avolenta roa ; izay namidiny tamin’ olona nandalo teny amin’iny faritra Ambodivona iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici