- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely :  Tompona orinasa malagasy hiharan’ny antsojay

Analakely :  Tompona orinasa malagasy hiharan’ny antsojay

« Tsy marina ny filazàna fa hoe nitsoaka any ivelany aho … Eto an-tanindrazana soa aman-tsara ny tenako ary vonona ny hiatrika ny zava-misy sy hamaha ny olana rehetra» hoy ity tanora vao erotrerony, Filoha mpanorina ny orinasa misehatra amin’ny fanafarana entana avy any ivelany iray, manana ny fivarotany etsy Analakely ity. Nisedra olana goavana izany mpandraharaha izany, tato anatin’ny volana telo volana izay, noho ny antsojay mihatra taminy, nataona terantany vahiny. « Nisy fiatona tao anatin’ny fotoana lavalava mihitsy izahay. Izany dia vokatry ny tsy fifankazahoana teo amin’ny tompon’ny tsena izay nofainay sy ny tenako. Ary indrisy fa niafara tamin’ny fanakatonany tsotr’izao ny tranombarotra mihitsy izany » hoy ny fanazavany. Tsy vitan’ny tranombarotra ihany anefa no nakatona tamin’io, izay voalaza fa tamin’ny fomba tsy nanara-dalàna, ny tapatapaky ny volana febroary teo fa na hatramin’ny kaontin’ity mpandraharaha ity tany amin’ny banky aza, izay tsy nahafahany nihetsika intsony. « Tsy natrehako akory izany fanakatonana izany … Ny tena nampalaelo dia mbola nisy ny entan’ireo mpanjifa maromaro tavela tao amin’ny tranombarotra kanefa dia voahidy, tsy navela nalaina akory » hoy izy. Raha ny filazany dia efa nisy ny fitoriana napetrany mahakasika ity toe-javatra mihatra aminy ity ary efa eny am-pelan-tanan’ny fitsaràna ny raharaha. « Matoky ny fahendren’ny mpitsara, hitadiavana ny marina ao anatin’izany. Ary mangataka ihany koa ny fitondram-panjakana hijery akaiky ireo mpandraharaha tanora malagasy, hiharan’ny antsonjain’ireo vahiny. Satria maromaro ny tranga tahak’izany (…) Ary ianareo mpanjifa nanafatra entana tao amin’ny Champion Society, aza matahotra ianareo fa ho azonareo tsy ho ela izany ary mahazo matoky fa tsy very akory ny entanareo …». Raha ny angom-baovao azo dia resaka hofan-tsena no fototry ny olana saingy ny mahagaga dia tonga hatramin’izao fanagejana kaonty any amin’ny banky izao …

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici