- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Vazaha voaratran’ny sabatra sy voaendaka

Analakely : Vazaha voaratran’ny sabatra sy voaendaka

Ny asabotsy alina teo, vazaha iray no fantatra fa naratra, noho ny resaka fanendahana teny amin’ny faritra Analakely. Roa izy ireo no niaraka tamin’io alina io. Nifanehitra tamina andiana mpanendaka maromaro anefa izy ireo. Tsy nanampo na inona na inona ireto vahiny. Tsy nanaiky mora hendahiny ihany koa anefa izy ireo ary raikitra ny ady. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nisy sabatra nivoaka avy tamin’ireo andiana mpanendaka ireo. Voa teo amin’ny sandrina ny vazaha iray. Izany no nararaotin’ireo olon-dratsy nangalana ny zavatra teny aminy. Very tamin’izany, sakaosy iray, famantaranandro sy zavatra hafa. Vao azon’ireo olon-dratsy izany, dia rifatra nandositra ry zalahy. Ireo voaendaka kosa, tonga saina teo ary tsy nahalala izay ambonin’ny tany. Resaka nifanaovana tamina teratany vahiny iray no hilazana fa tsy misy sahy mandeha irery na andro na alina ry zareo. Matahotra ny ho lasibatry ny mpanao sinto-mahery mantsy, indrindra eto an-drenivohitra.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser