- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnalakely : Vehivavy no mibaiko ny mpanendaka, olona 7 voasambotra

Analakely : Vehivavy no mibaiko ny mpanendaka, olona 7 voasambotra

Isan’andro no ahatratrarana mpanao sinto-mahery sy fanendahana. Mitondra faisana avokoa izay sendra an-dry zalahy

Tao anatin’ny hetsika fisamborana mpanao sinto-mahery notontosain’ny pôlisy etsy amin’ny boriborintany voalohany no nahafantarana an’izany. Olona fito no voasambotra ka vehivavy ny iray tamin’ireo. Io no mpijirika izay hotafihana ary mibaiko avy lavitra ireo mpanendaka namany. Voasambotra io farany niaraka tamin’ny ekipany. Nisy zazalahy tsy ampy taona tao anatin’io tambajotran’ny mpanendaka tetsy Analakely io. Naiditra am-ponja ny dimy tamin’ireo voasambotra ary nalefa eny amin’ny sampana miandraikitra ny zaza maditra kosa ilay iray tsy mbola ampy taona. Manaporofo hatrany ity tranga ity fa miasa anaty tambajotra ireo mpanao sinto-mahery eo Analakely. Mazava izany izao fa misy amin’ireo vehivavy mirenireny fotsiny eny ireo no miara-miasa amin’ny mpanendaka ary mijirika sy manara-maso izay olona mety ho azo endahina na tsia. Manatontosa fotsiny sisa aorian’izay ireo olon-dratsy. Midika ihany koa fa samy manana ny andraikiny ireo olona ao anatin’ny tambajotra mpanendaka. Raha ny fanamarihan’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany dia mbola hitohy ny hetsika fisamborana ireo olon-dratsy, indrindra ireo mpanao sinto-mahery eo an-toerana.

Ankoatra izany, rangahy efa 65 taona no saron’ny olona teo am-panaovana ny asaratsiny. Efa tafiditra tao anaty fiara izy no sarona. Tazonina ao amin’ny kaomisaria Analakely ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser