- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Voasambotra ilay mpanendaka vazaha eny amin’ny « Pavillons »

Analakely : Voasambotra ilay mpanendaka vazaha eny amin’ny « Pavillons »

Tovolahy malaza mpanendaka vazaha eny amin’ny faritry ny «  Pavillons » Analakely iny no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Boriboritany Voaloahany ny 28 martsa teo. Teo amin’ny  amin’io faritra io mihitsy izy no tra-tehaka raha mbola teo am-panarahana olona saika haroniny paosy iny. Nandritra ny fanadihadiana azy no nahalalana fa eny Ambodin’Isotry izy no mipetraka ary 26 taona ny lehilahy. Araka ny nambaran’ireo mpivarotra eny an-toerana dia efa mpangarom-paosy ikoizana eny amin’iny faritra iny izy  ary  efa mila ho isan’andro no misy olona lasibatr’ity jiolahy ity foana eo amin’ny manodidina ny “Pavillons” iny. Niaiky ny heloka vitany izy, ary araka ny voalazany hatrany dia ireo teratany vahiny no tena anaovany izany asa ratsiny izany.

Mbola teny Analakely ihany saingy teo amin’ny Petite vitesse indray no voasambotra ny jiolahy mpangarom-paosy roalahy io 28 martsa io. Raha ny fantatra dia telolahy izy ireo no nihaodihaody teny an-toerana niandry ireo mpiantsena. Efa nanara-maso ny fihetsik’izy ireo moa ny polisy nanao fanamiana sivily. Nisy vehivavy iray sendra nandalo tamin’io fotoana io ka avy izy telolahy nanaraka azy moramora avy ao aoriana, ary saika hangarona ny paosin’ilay vehivavy. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Polisy, ka ilay lehilahy fahatelo nivily lalana tampoka raha vao nahita ireo Polisy nanatona azy ka nirifatra nandositra. Tratra teo kosa izy roalahy izay efa mpamerin-keloka ary efa voasambotra noho io resaka harom-paosy io hatrany teo aloha. Ilay namany fahatelo kosa dia mbola karohina ankehitriny.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici