Efa manatomotra dia manatomotra ny fetin’ny faran’ny taona. Toa miharomotra ihany koa etsy andanin’izay ireo olon-dratsy, indrindra fa amin’ireo toerana tena feno olona. Mitohy hatrany ihany koa anefa ny ezak’ireo mpitandro ny filaminana, hamongorana ireo mpanao asa ratsy ireo, indrindra fa ny eny amin’ny faritra Analakely iny, mba hiantsenan’ireo mponina am-pilaminana. Porofon’izany, vehivavy iray manodidina ny 40 taona, fantatra fa isan’ny lehiben’ireo mpanendaka vehivavy eny an-toerana no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany, omaly hariva. Mody mitakosona miaraka amin’ireo mpiantsena ny fomba fiadiany ary teo am-panatahana pôketrana mpiantsena mihitsy izy no hitan’ireo pôlisy. Efa mandeha avy hatrany ny fanadihadiana hahafantarana ireo namany hafa. Fa mbola omaly ihany, mpanendaka fito be izao no indray voasambotra teny Analakely sy Soarano iny. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ny efatra no tratra ary nisy mihitsy aza no nifanenjahana hatreny amin’ny tohatohabato teny, araka ny fanazavana azo. Ireo efatra sarona ireo avy eo no nanondro ireo roa hafa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo amin’ity asa fanendahana ity, ka nahafahana nisambotra azy ireo indray. Atolotra ny fitsarana anio ireo mpanendaka miandahy miambavy ireo. Fanambin’ny mpitandro filaminana ny mba hanaovan’ny daholobe fety am-pilaminana amin’ity faran’ny taona ity, ary porofo mivaingana izao vokatra nataon’ny pôlisy eny Analakely izao. Inoana fa hilamin-tsaina kokoa amin’izay ireo mpiantsena eny an-toerana.
m.L