- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnalakely : Voasambotra ireo nanatsatoka antsy ny mpanolotsaina ny masoivoho frantsay

Analakely : Voasambotra ireo nanatsatoka antsy ny mpanolotsaina ny masoivoho frantsay

Yhaly, 34 taona sy Tsiliva, 23 taona. Voaporofon’ny pôlisy ankehitriny fa ireo no tompon’antoka tamin’ny fanatsatohana antsy ny mpanolotsaina faharoa eo anivon’ny masoivoho frantsay, ny 16 aprily lasa teo. Raha hiverenana kely dia avy niasa ka nihazo an’Ambatomena io vazaha io no voatsatoky ny “poignard” talohan’ny nangalàna ny valizy diplomatika teny aminy. Nanomboka teo dia nampiasa ny fanagonam-baovao ny pôlisin’Analakely. Tapa-bolana taorian’izay dia efa nanomboka fantatra ny momba azy roa lahy sy ny toerana fanaovany ratsy. Natao ny fisamborana ny iray voalohany teny amin’ny tranony eny 67 ha ny asabotsy lasa teo. Mbola hita tao ny antsy sy ny fitaovana fanatontosan’ireo ny fanendahana. Taorian’izay dia nidinana tany amin’ny tranon’ny sipany tany Tanjombato tany ilay lehilahy faharoa. Tsy sarona teo anefa izy. Voatery nampiasaina hatrany ny fanangonam-baovao momba azy. Tsy niandrasana ela izany fa ny alin’ny asabotsy teo ihany dia efa naneno indray ny telefaonin’ny pôlisy ka nampandre fa mihaodihaody toy ny mahazatra eo akaikin’ny hotely lehibe iray etsy Andohan’Analakely ilay lehilahy. Ny tsy fantatr’ilay jiolahy dia efa feno polisy nanao fanamiana sivily izay manana ny sariny erak’Analakely, Ambatomena, Andohanan’Analakely sy izay toerana rehetra fanaovany ratsy, tamin’io fotoana io. Narahi-maso ny fihetsiny ary iny tokoa fa nanendaka vazaha iray hafa indray izy, vazaha teratany Italiana ary saika hamonjy ny hoteliny io nataony lasibatra io. Notsatohany antsy koa ilay vahiny ary nendahiny. Nifanenjehana nanomboka teo Andohan’Analakely ary tsy sarona raha tsy tany akaikin’ny Sakamanga ilay jiolahy. Anio izy roa ireo no hatolotra ny fampanoavana raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Tsy manendaka izy roalahy raha tsy teratany vahiny ary antsy sy zava-maranitra fiadiana toa ny “trident” no ampiasainy. Ambatomena sy Analakely ary Antaninarenina no tena fanaovany ny asaratsiny.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser