Vehivavy roa mpanataka paoketra eny amin’ny faritra Analakely, no fantatra fa tratran’ny olona tamin’ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora. Araka ny vaovao voaray, manao andiany ireto vehivavy ireto, mangalatra anaty paoketran’olona eny amin’ny faritra iny. Enina izy ireo no fantatra fa manao izany. Tamin’io sabotsy io, ramatoa iray hividy trondro no lasibatra. Efa narahin-dry zavavy io olona. Talohakelin’ny nidiran’ilay vehivavy tao amin’ny mpivarotra no nanatahan’ireo mpangalatra ny paoketrany. Hareza no nampiasain’izy ireo. Nividy zavatra ilay lasibatra ka tamin’ny fotoana handoavam-bola vao gaga, satria tsy tao intsony ny paoketra kely nisy ny vola. Tratra ny roa fa nandositra kosa ny efatra, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’io fotoana io, sendra nandalo teny akaikin’ilay toerana ny polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention de la Police (UIR). Avy hatrany dia nentina tany amin’ny birao izy roa vavy ireo.
Tsy vao izao no nandrenesana vehivavy manao ny asa fanendahana, fangaronam-paosy ary halatra samy hafa eny Analakely. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra eo anoloan’izany.
r.s.