- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Volabe no azon’ny mpisoloky ho mpiasan’ny finance

Analakely : Volabe no azon’ny mpisoloky ho mpiasan’ny finance

Niasa teo anivon’ny minisiteran’ny vola izy teo aloha ary tany Ambositra ny biraony. Naato tamin’ny asany nony avy eo. Nitatra ny sainy ary lasa misoloky ho mahatafiditra olona eo anivon’io minisitera io ny tenany. Alefa Mvola ny saran’izany ary alefa taxi-brousse amin’ny adiresiny kosa ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ilay olona. Nisy ny tratran’ity asa fisolokiana ity teto an-drenivohitra ary maro koa ny tany amin’ny faritra. Misy olona miray tsikombakomba amin’ity lehilahy ity ao anatin’izany. Lazaina fa mpiasan’ny minisitera izy ary manana andraikitra ambony afaka mampiditra mpiasa. Rehefa izany ary dia atao miresaka mivantana amin’ny finday aminy ny olona izay hangalàna vola nony avy eo. Iaraha-mahalala ny tsy fisian’ny asa eto amintsika ary koa ny hamaroan’ny olona mba te-ho mpiasam-panjakana. Vokatr’izany dia betsaka ny roboka tao anatin’ny fandrika. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no tentin’ny fampidirana ho mpiasam-panjakana ary izay no tena tanjon’ireo alaina amin’ny olona. Farafaharatsiny dia ahazoan’izy ireo ny antsasak’izany ny voasoloky. Nisy hatramin’ny olona izay nohafarana tamin’izay mba hiakatra eto Antananarivo, satria handalo « entretien ». Tonga tokoa ary efa nivonona ara-tsaina sy ara-bola. Rehefa nantsoina anefa ilay laharana nifaneraserana nandritra ny fotoana ela dia tsy nandeha intsony ary tsy nandeha mihitsy. Teo amin’izay no nanomboka tonga saina ny olona fa voasoloky. Nentina teny amin’ny polisin’ny SUT etsy Tsaralalàna ny fitoriana ary teo vao samy talanjona ny rehetra fa efa maro ny fitoriana mahakasika ilay olona noho ny fisolokiana. Nosokafana araka izany ny fanadihadiana ary notsirihina ny momba ilay laharan’ny finday. Ny valin’izany rehetra izany no nahatratrarana ny olona iray tetsy Analakely, teo ambadiky ny làpan’ny tànana. Rehefa nohenoina izy dia nanazava fa tena mpiasan’ny minisitera tokoa teo aloha ary naato. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany niray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity. Isaky ny dosie azo dia zarain’izy ireo roa ny vola, izany hoe samy manana dimy tapitrisa ariary avy. Efa betsaka ny tranga toy izao notaterina an-gazety ary dia mbola betsaka ihany koa anefa ny voasoloky. Ny tsy fisian’asa avokoa no anton’izany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici