- Publicité -
mercredi, octobre 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Zandary roa maty, ahiana ho voapoizina ara-tsakafo

Analakely : Zandary roa maty, ahiana ho voapoizina ara-tsakafo

Omaly, zandary roa nihinankinam-poana teny Analakely teny ho eny no namoy ny ainy, rehefa avy noraisana an-tanana tao amin’ny hôpitaly miaramila tetsy Soavinandriana. Mbola misy iray hafa amin’izy ireo no manaraka fitsaboana amin’izao raha ny vaovao azo. Raha ny vaovao dia mety ho vokatry ny zavatra nohanin’izy ireo teny an-toerana no antony nahatonga ilay tsy fahasalamana izay nitarika hatrany amin’ny fahafatesana. Mazava ho azy, alehan’ny saina amin’izany ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo.

Nasaina niambina ny lapan’ny tanana, Analakely sy ny manodidina ny antoko nisy azy ireo izay natoby teo amin’ny Parvis Analakely talohan’io tranga io. Nony tonga tany amin’ny birao sy ny tany amin’ny tranony avy ireto mpitandro filaminana ireto nitaraina tamin’ireo lehibeny fa tsy salama : sempotra be. Nalefa avy hatrany tany amin’ny infirmerie ary tonga dia navantana tany amin’ny hôpitaly avy hatrany. Indrisy anefa fa androany maraina dia tsy tana intsony ny ain’izy ireo. Miisa telo hatreto aloha no ireo fantatra fa narary vokatr’izay mety ho fanapoizinana ara-tsakafo nahazo azy ireo izay, ary io namoy ny ainy io ny roa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici