Taitra ny fokonolona ao amin’ny fokontany Analakininina hopitaly be P/elle 12/21-22 carreau laharana faha-03, raha nahita ireto taolam-paty teo an-tsisina fefy iray tao an-toerana izay mpiasan’ny kaominina no tompon’ilay trano, ny zoma 18 janoary teo. Tsy mba tompon’andraikitra misahana ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina sy mpitandro ny filaminana anefa ilay tompon’ny trano nisy ilay fefy nanarian’olona ireto taolam-paty, fa ireny mpanary fako mpitondra kalesa mitety fokontany eto Toamasina ireny indray hanary ireto taolam-paty eny amin’n fanariam-pako, tsy nety nanao izany ireto mpanary fako na nosandaina 10.000 ariary aza ny nanary izany. Ny tena nahagaga tamin’izao raharaha izao dia ny nanapatapahan’ilay tompon-trano ireto taolam-paty ireto ho mora atao anaty harona sy mora ariana nefa tsy nisy olona sahy nokaramainy nanao izany. Tsy fantatra hoe natao inona sy nentina taiza ny niafaran’ireto taolam-paty ireto satria hatramin’ny nialan’ny mpanao gazety teny an-toerana ny mitatao vonona ny zoma teo, dia mbola tsy nisy mpiasan’ny fahasalamana teo anivon’ny kaominina sy mpitandro ny filaminana nijery sy nanao fanadiadiana ireto taolam-paty nisy nanary tao Analakininina hopitaly be Toamasina ireto.
Malala Didier