Nampitondra faisana ny vahoaka tany amin’ireo distrika maromaro tao anatin’ny faritra Sofia, raha ry zalahy ireto, izay fantatra amin’ny anarana hoe Rabenoro, Betrice ary Din, raha tsy hiteny fotsiny raha tsy tao amin’ny distrikan’i Boriziny (Port Bergé) sy ireo kaominina maromaro tao amin’ny distrikan’Analalava. Ny 99 andro ihany anefa no an-dry zalahy : lavon’ny balan’ny zandary tao amin’ny kaominina Andrevorevo, distrikan’Analalava izy ireo, rehefa nifanehatra tamin’ireo zandary mpanao fisafoana.
Raha ny fampitam-baovao azo, dia hitan’ny fokonolona nihaodihaody teo amin’ny fokontany Antsangambato ireto farany, amin’ny andro alina, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Nampiahiahy ny mponina avy hatrany ka niantsoana zandary. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpanao fisafoana ary nifanehatra tamin’izy ireo soa aman-tsara. Tsy nanaiky ny hosavaina moramora anefa ireto andian’olona nampiahiahy ireto fa avy hatrany dia nanohitra ireto mpitandro filaminana. Tsy nisalasala nampiasa ny fitaovana teny aminy araka izany ireo zandary ka lavo avokoa izy telolahy, araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary ny alatsinainy teo. « Tsy nifidy olona notafihana izy ireo fa na ny mpiray tampo aminy aza dia natao lasibatra avokoa » hoy hatrany ny fanazavana.
Vita hatreo araka izany ny amin’izy ireo. Mety mbola hanaraka ihany koa ny ambiny, satria araka ny nambaran’ireo mpitandro filaminana dia tsy handefitra amin’ireo mpanao ratsy izy ireo, ary manentana hatrany ny fokonolona « handray anjara mavitrika amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana amin’ny alalan’ny fiambenana isan-tanàna sy ny fanomezam-baovao matotra sy ara-potoana »
m.L