- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnalalava : Lakana rendrika, mpandeha iray tsy hita popoka

Analalava : Lakana rendrika, mpandeha iray tsy hita popoka

Nitrangan’ny loza an-dranomasina indray tany amin’iny distrikan’Analalava iny ny alarobia lasa teo. Lakana kely iray nitondra olona efatra indray no dobo an-drano, tsy lavitra ny tanànan’i Nosilava. Vokany, avotra ny mpandeha telo, raha mbola tsy hita popoka kosa ny iray tamin’izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo.

Mponina any amin’iny faritra iny ihany izy ireo, mifamezivezy amin’ny tanàna isan-karazany any an-toerana. Teny ambony rano teny dia voalaza fa lany vatsy ka nikasa ny hihazo tanàna. Tamin’izay indrindra anefa no tsy fantatra mazava izay nahazo ireo. Tojo olana ara-teknika sa sendra andro ratsy tampoka fa dia niafara tamin’ny faharendrehan’ilay lakana kely io, teny am-povoan-drano teny. Niara-dobo an-drano avy ireo olona efatra : mpivady iray ary lehilahy roa. Ny angom-baovao azo tany an-toerana no nahafantarana fa nalaky nahavonjy morondrano haingana ny iray tamin’izy ireo ka afaka niantso vonjy tamin’ireo olona teny an-tanety. Nanomboka teo ny fikarohana nataon’ireo fokonolona sy mpitandro filaminana ireto olona niharam-boina ireto. Ny alakamisy teo, izay hoe iray taty aorian’ny nisehoan’ny loza no hita ireo mpivady. Mbola velona aina soa aman-tsara saingy efa tena reraka, hoy hatrany ny vaovao. Navantana avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana moa izy ireo. Mbola nitohy hatramin’ny omaly kosa ny fikarohana ilay lehilahy iray, mpandeha fahefatra tamin’ireto tra-doza ireto. Etsy andanin’izay moa, dia efa an-dalam-panaovana fanadihadiana mahakasika ity loza ity ireo tompon’andraikitra amin’izany, any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici