- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalalava : Lehilahy iray maty notapahin-doha

Analalava : Lehilahy iray maty notapahin-doha

Nisy nampandre ny zandary tao Anjiamangirana ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, mikasika ny faty olona any Anketsany, amin’ny toerana atao hoe Bemangazona, fokontany Andrafiabe, kaominina ambanivohitra Marovatolena, distrikan’Analalava. Sahabo ho 8 km atsinanan’ny fokontany Andrafiabe voalaza etsy ambony no nisy ilay razana. Ny ampitson’io tamin’ny 5 ora maraina dia nidina tany an-toerana ny zandary enin-dahy niaraka tamin’ny mpitsabo hanao ny fitsirihana ny razana. Araka ny voalazan’ny dokotera dia efa tokony ho telo andro teo no nahafatesan’io io olona io raha ny fahitana ny fahasimban’ny razana. Kapa antsy nanapaka ny tendany no nahafaty ilay olona ary nalevin’ny nahavaon-doza tao anaty lavaka tokony ho 5m miala ny vatany ny lohany. Fanatra fa mpamboly izy io. Araka ny voalazan’ireo tompon-kavana dia efa fantampantatr’izy ireo ny olona nahavita izao heloka bevava izao fa aorian’ny fandevenana izy ireo no nilaza fa hametraka fitoriana eny amin’ny biraon’ny zandary Anjiamangirana. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fitsirihana. Misokatra ny fanadihadiana.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici