- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAnalalava : Maty voatifitra raha nikasa hitsoaka i Doga, dahalo raindahiny

Analalava : Maty voatifitra raha nikasa hitsoaka i Doga, dahalo raindahiny

Nanararaotra ny andro maizin-kitroka ingahy ka niezaka nilefa ireo zandary niambina azy, ary tsy niraharaha intsony ny fampitandremana nalefan’ireo zandary. Vokany, maty voatifitra ilehio, omaly maraina, raha iny an-dalana handeha hitondra azy hiakatra any Ambarijeby Atsimo ao anatin’ny distrikan’Analalava ireo zandary.

Jiolahy raindahiny, nikoizana tamin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny distrikan’Analalava raha iny olona ity, hoy ny fampitam-baovao ny zandary. Efa tsy zoviana amin’izy ireo rahateo ny asa ratsy nataony. Saiky izy sy ny ekipany avokoa, misy roa lahy efa fantatra anarana amin’ny hoe Ladodo sy Nono, no tao ambadiky ny fanafihana nisesisesy tany an-toerana. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy fanafihana voasoroky ny zandary mialoha, tao Ambarijeby Atsimo, ny tao Antonibe ary ny tao Marovatolena. Mbola izy ihany koa no tompon’antoka tamin’ny vono olona nitranga tao Antatiloky kaominina Antonibe, taorian’ny fanafihana ka nahafaty io mpivarotra io tao an-toerana. Marihana hoy hatrany ny vaovao fa ny alarobia teo ity dahalo ity no voasambotry ny zandary taorian’ny vela-pandriaka natao azy, Marotomendry. An-dalana handeha hitondra azy any amin’ny biraon’ny zandary izy no izao nanita-kevitra ny hitsoaka izao ka dia io maty voatifitra io. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo namany hafa, izay hangatahin’ny zandary fiaraha-miasa amin’ireo mponina any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici