« Ampôndra » no fiantso ny fikambanan-jiolahy misy azy ireo, mitovy amin’ireny « Foroche » any avaratra ireny ihany. Mifoka rongony izy ireo ary rehefa avy eo dia manao herisetra amin’ny toerana maro. Tanora 13 ka hatramin’ny 30 taona no mivondrona ao anatiny. Mamono olona, manimba volin’olona, mandroba toeram-pivarotana. Ireo no tena asa ratsy ataon’ireto tanora izay efa mivadika ho mpanao heloka bevava. Maro ireo kaominina ambanivohitra nitondra faisana tamin’ny nataon’izy ireo ary isan’ny tena matetika nataony tokotany filalaovana amin’ny asa ratsy i Befotaka-Avaratra sy Ambodimadiro, izay samy eo anivon’ny distrika Analalava. Teo koa ny kaominina ambanivohitra Andreba, Ambalia ary Ampondrabe, izay samy eo anivon’ny distrikan’Antsohihy. Nisesy ny fitarainan’ny mponina tamin’ireo tanàna ireo ary tsapan’izy ireo fa efa tsy voafehin’ny fiaraha-monina intsony ireto tanora lasa olon-dratsy. Teo no nanapahan’ny manam-pahefana tao an-toerana ny hevitra ny nanaovana hetsika manokana « opération ampôndra ». Novatsin’ny governora izay sady mpitandro ny filaminana solika sy tambin-karama ny zandary sy ny tafika tao an-toerana. Natao savahao ireo tanora ary hatreto dia 28 no efa voasambotra. Sarona koa ireo rongony amin’ny gony maro sy ireo antsibe fanatanterahan’ireo olon-dratsy ny heloka bevava. Mbola mitohy ity hetsika ity.
D.R