- Publicité -
mercredi, août 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalalava : Nofantsihan’ny olona ny biraon’ny Maire

Analalava : Nofantsihan’ny olona ny biraon’ny Maire

Ny printsy ao an-toerana izay monina ao amin’ny fokontany Maromandia, no voalazan’ny zandary fa tompon’andraikitra tamin’ny fitarihana ireo andian’olona hitokona. Ny alakamisy teo, manodidina ny tamin’ny folo ora maraina, no nanao famoriam-bahoaka teo anoloan’ny tranony izy. Tsy nahazoana alàlana izany raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary any an-toerana. Manodidina ny telopolo teo ny isan’ireo olona nilanja sora-baventy manambara ny tsy faneken’izy ireo intsony ny hitondràn’ny ben’ny tanàna, izay nolazain’izy ireo fa namono olona. “Tsy ekenay intsony ny Maire mamono olona”, izay no hita teo amin’ny sora-baventy nolanjain’ireo andian’olona. Rehefa nigadona teo amin’ny kaominina izy ireo dia nofantsihany avy hatrany ny varavarana mizotra mankao amin’ny biraon’ny ben’ny tanàna. Tsy nisy afats’io toeram-piasan’io tompon’andraikitra voalohan’ny tanàna io ihany no niharan’izany. Tao anatin’izay no nisy nampandre haingana ny zandarimaria, izay nigadona teo amin’ny kaominina. Vao nahita izany ireo olona mpanao fihetsiketsehana dia niparitaka, nitsoaka teo an-toerana. Niverina araka izany ny filaminana. Raha ny fanamarihan’ireo olona dia tsy misy ambadika politika mihitsy ny hetsika fa vokatry ny raharaha ara-pitsarana mahakasika ilay ben’ny tanàna noho ny resaka vono olona no tena nampihetsika azy ireo. Mbola endrika fitsaram-bahoaka ihany koa ny trangan-javatra toy izao. Raha ny tokony ho izy dia azo raràna ny olona hanao fihetsiketsehana sy haneho ny heviny amin’ny filanjana sora-baventy rehefa tsy miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana sy misy akony amin’ny filaminam-bahoaka. Heverina fa efa nisy fandeferan’ny mpitandro ny filaminana ihany teo amin’iny lafiny iny. Saingy rehefa tonga teo amin’ny famantsihana birao kosa dia efa mivadika fandikan-dalàna ny zava-nitranga. Indrindra koa moa, raha sendra nandalo teo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici