Nanomboka ny volana janoary lasa teo no nahitana trangana haromotan’ alika tany amin’ny Distrikan’ Analalava, Faritra Sofia, ka olona telo voakaikitry ny alika mirenireny voalaza fa romotra no namoy ny ainy. Trangana haromotana miisa enina kosa no voamarina fa niseho tany amin’ny Distrikan’i Befandriana-Avaratra. Afak’omaly, tovolahy iray no naratra mafy niboba rà teo amin’ny tongony havanana nokaikerina alika mirenireny teny an-dalana. Novonoin’ny fokonolona teo no ho eo ilay alika nanaikitra, ka novelesina tamin’ny vantan-kazo “bois rond” in-dimy vao maty, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa