- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnalalava : Sefom-pokantany maty voakapan'ny antsy

Analalava : Sefom-pokantany maty voakapan’ny antsy

Notafihan’ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana ny sefom-pokantany iray, ka namoy ny ainy rehefa voadaroka sy voakapan’ny antsy. Tao amin’ny fokontany Ampanihy, Kaominina sy disitrikan’Analalava, faritra Sofia, no nitrangan’ny fanafihana, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Araka ny tatitra voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana, valo lahy nitondra fiatovam-piadiana toy ny antsy be, no nanafika tao an-tranon’ny Sefom-pokontany. Nandritra ny fanafihana dia nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy be ny vozony ary maty tsy tra-drano. Voakapa famaky teo amin’ny tanany kosa ny vadiny. Lasan’ireo jiolahy ny finday iray sy kara-panondron’izy mivady. Nidina tany an-toerana ny Zandary sy ny dokotera nanao ny fizahana ary nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly ilay naratra. Ny borigadin’ny zandary avy ao Analalava no misahana ny famotorana. Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy.

 Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici