- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnalalava sy Antsohihy : Nampidirina am-ponja ny « Ampondra »

Analalava sy Antsohihy : Nampidirina am-ponja ny « Ampondra »

Raha ireo « foroches » no nalaza teo aloha teo, amin’izao, ry zareo « Ampondra » indray angamba no manohy ny asa ratsin’iretsy voalohany. Karazana fikambanana tanora « maditra », izay lasa manjakazaka sy mampihorohoro ary tonga hatrany amin’ny fandrobana ireo mponina any amin’iny faritra Avaratra iny, ao amin’ny distrikan’Analalava sy Antsohihy. Ny voalohandohan’ny herinandro teo no nisy ny hetsika nataon’ireo tompon’andrakitry ny filaminana tany an-toerana, hamongorana izany asa ratsiny izany. Nahatratra am-polony maro tany ho any ireo « Ampondra » no noraofin’ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana, natao fanadihadiana ary natolotra ny fitsaràna taorian’izay. Ny talata teo ny sivy tamin’izy ireo no natolotra ny Fampanoavana tao Antsohihy, ka naiditra am-ponja avy hatrany. Ny alarobia kosa ny 19 ambiny no nalefa tany amin’ny tribonaly ambarotonga voalohany tany Analalava ary samy nampidirina am-ponja avokoa, taorian’ny fihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo. Marihana, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo fa mbola misy maromaro ireo tanora no ao anatin’ity « fikambanan-jiolahy » iray ity ary manohy ny asa ratsin’izy ireo hatrany saingy izy ireo aloha no tratra. Mbola mitohy araka ny fikarohana ireo « Ampondra » sasany tafaporitsaka sy mbola miafina any rehetra any ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici