- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalalava : Tovovavy maty tamin’ny fomba feno habibiana

Analalava : Tovovavy maty tamin’ny fomba feno habibiana

Tao  Ambohidengy, ny sabotsy teo tokony tany ho any amin’ny folo ora maraina, no nampandre ny zandary teny an-toerana ny lehilahy iray fa misy fatina tovovavy iray eo akaikiny.

Raha vao nahare izany dia nidina teny an-toerana ny manampahefana ka nijery ifotony izay zava-niseho marina. Tonga  ihany koa moa ny dokotera nanao ny fizahana ny razana ka teo no nahalalana fa efa ny zoma hariva no maty ity tovovavy ity ary kapoka kibay teo amin’ny lohany no nahafaty azy, Mangana be ihany koa ny tendany, toy ny nokendaina, fa ny tena nahatalanjona dia ny nahitana rà tany amin’ny faritry ny fivaviany, toy ny nanatsofohana hazo. Efa  eo am-panaovana famotorana kosa amin’izao fotoana izao ny zandary eny an-toerana amin’izay olona nifanerasera taminy farany.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser