- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Efa-dahy nanakana làlana saika handroba fiara, tratran’ny polisy

Analamahitsy : Efa-dahy nanakana làlana saika handroba fiara, tratran’ny polisy

Olona efatra, lehilahy avokoa no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 etsy Analamahitsy ny faran’ny herinandro teo. Fantatra fa saika hanafika fiara ireto olona ireto. Nosakanan-dry zalahy vato be ny lalana ary olona handeha hody avy nijery fety no lasibatra tamin’izany. Raha vao nahita ny sakana anefa ireo olona tao anaty fiara dia afaka niantso haingana ny polisy avy ao Analamahitsy. Tsy niandry ela fa vetivety dia tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Dia tsy nandeha lavitra fa teo akaikin’ireo vato napetrany no tratra ny olona efatra. Nikasa handositra izy ireo nefa tsy afaka nanao izany satria efa tomefy polisy ilay toerana. Reheha voasambotra ireo olona ireo, nandeha ny fanadihadiana. Tamin’izany dia fantatra fa avy eny amin’iny faritra Androhibe avokoa ry zalahy ary fantatry ny mponina manodidina. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva no niseho ity fikasana hanafika fiara sy fametrahana vato afovoan-dalana ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici