- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Efadahy mpanao sintomahery tratran’ny polisy

Analamahitsy : Efadahy mpanao sintomahery tratran’ny polisy

Mirongatra ny sintomhery eny amin’ny faritra Anjanahary, Amboditsitry sy Analamahitsy. Naharay vaovao ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 ary nanatanteraka hetsika. Vokany, olona efatra no nosamborina ny faha-10 desambra lsa teo. Maro dia maro ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana. Amin’ny fotoana misy fitohanana no tena masiaka ireo mpangalatra. Ny sabotsy  teo, nitohana ny fifamoivoizana teny Anjanahary. Voalaza fa tovolahy kely iray no hita nisintona findain’olona tao anaty fitateram-bahoaka.  Raha vao nahazo izany ilay bandy dia nandositra. Tsy lasa lavitra anefa izy fa voadonan’ny fiara. Tonga dia noraisim-potsiny. Nantsoina ny polisy ary rehefa hita fa tsy dia naratra mafy loatra ilay tovolahy dia nentina nanoro ny namany. Teny an-dalana dia nilaza ny anao lahy fa efatra izy ireo no tena mpiaraka manao ny asa fanendahana. Raha vaoa tratra anefa izy, vaky nandositra ireo mpiaraka aminy.  Tsy niandry moa fa io andro io ihany dia traingo avokoa ireo namany. Ny nahavariana, tsy mbola ampy taona avokoa izy efatra tratra ireo. Rehefa avy manendaka ry zalahy dia eny amin’ny Fasana Anjanahary no miafina. Omaly no natolotra y Fampanoavana ry zalay ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici