- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Fahatratrarana basy sy bala ary fitaovana maromaro hoentina manafika

Analamahitsy : Fahatratrarana basy sy bala ary fitaovana maromaro hoentina manafika

Toy izao ny fitaovana nampiasan’ireo mpangalatra
Toy izao ny fitaovana nampiasan’ireo mpangalatra

Arifomba tokoa ny fitaovana entin’ireo jiolahy manafika

Teny Analamahitsy, ny sabotsy  lasa teo, no tratehaky ny zandary teny Analamahitsy Marais-Masay ny andian-jiolahy mitam-basy. Enina izy ireo no fantatra fa  ao anin’ity tarika mpanao ratsy ity, araka ny loharanom-baovao. Jiolahy efatra no voasambotra fa ny roa kosa tafatsoaka. Vaovao azo avy amin’ny fitsongona dia tetsy sy teroa no nahafantarana ny mikasika ireto olon-dratsy ireto. Ny vaovao voarain’ny mpitandro filaminana hatrany no nahalalana fa saika hanafika teratany sinoa teny amin’ny faritra Analamahitsy izy ireo. Tsy tafita anefa ny kajy satria nisy nampiahiahy ny fisian’ny  olona nipetrapetraka teo amin’ilay toerana saika hanaovana ny fanafihana. Rehefa tsy raikitra moa izany dia nikaon-doha  izy ireo nidina tety amin’ny Marais-masay, teo indrindra no nilatsaka ny fisamborana ka tsy nahahetsika ny efatra fa ny roa izay somary nihataka ireo namany  kosa no tonga dia lasa nandositra raha vao nahatazana ny fahatongavan’ireo zandary. Tratra niaraka tamin’izy efa-dahy tamin’izany ny PA miisa roa sy barre pince roa ary basy kilalaon-jaza iray, scotch ary itony rano fanatoranana na « chloroforme ». Efa natolotra ny fitsarana izy ireo ka mbola mitohy moa ny fanadihadiana amin’izay ho mety  niafenan’ny naman’izy ireo. Efa tena rain-dahany tokoa raha ny fahitana ireto fitaovana  tratra tany amin’izy ireo ireto.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser