- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Fiara nandeha mafy nifaoka olona, roa naratra mafy

Analamahitsy : Fiara nandeha mafy nifaoka olona, roa naratra mafy

Mbola tavela tao anatin’ilay fiara ny mpamily. (sary Rado)
Mbola tavela tao anatin’ilay fiara ny mpamily. (sary Rado)

Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo omaly, raha mbola nifanaretsaka ny olona hamonjy fodiana, na koa handeha ho any amin’ny biraom-pifidianana mba hijery ny fivoaran’ny fandatsaham-bato, nisy lozam-pifamoivoizana nitranga teo Analamahitsy, izay antsoina hoe lalam-baovao. « Fiara mitondra ny marika Hyundai Starex iray izay nandeha mafy, telolahy no tao anatiny, no nandona olona roa izay handeha hividy zavatra tao amin’ny fivarotana an-tsisin-dàlana iray. Naratra mafy avy hatrany ireo vehivavy roa, 16 taona eo ho eo ny iray ary efa ramatoa kosa ny faharoa. Nentina tao amin’ny hopitaly akaiky indrindra ireo naratra » raha araka ny fanazavan’ny olona iray nahita ny zava-nitranga. Notohizan’ny loharanom-baovao hafa teo an-toerana indray fa nitsoaka ny roa tamin’ireo mpandeha tao anatin’ny fiara, izany hoe ireo roalahy. Ilay saofera kosa tsy afa-niala fa tavela teo ambony familiana. Vetivety foana dia feno olona teo amin’ilay fiara. Nirohotra nijery ifotony ny olona ka tao ihany koa ny nentin-katezerana. Nisy ny nilaza fa mammon-toaka ny mpamily ka izany no antony nahatonga ny loza. Tafatodika tanteraka ilay fiara noho ny hamafin’ny dona. « Feon-javatra toy ny nirefotra no nanaitra anay teto amin’ny manodidina ka nijery avy hatrany ny zava-nisy. Vehivavy roa efa naratra mafy ary nitsirara tamin’ny tany no hitanay » raha araka ny fanazan’ny olona iray teny an-toerana. Tapaka tanteraka ny làlana teo amin’io lalam-baovao io omaly efa hatramin’ny fotoana nanoratanay. Niteraka fitohanana be izany teny an-toerana. Nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ary nentin’izy ireo niaraka taminy ilay mpamily.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici