Mihevitra ny fisiana firaisana tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy mantsy ny pôlisy.
Taorian’ilay fandrobana, nahaverezana vola nanodidina ny 54 tapitrisa ariary tetsy amin’ny toby fivarotan-dasantsy iray tetsy Analamahitsy, ny alatsinainy lasa teo, dia fantatra fa mpiasa roa no notazomina sy nanaovana fanadihadiana. Ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro no niseho ity fandrobana ity. Lehilahy roa nitaingina môtô sy nitondra basy no tonga tao amin’ity fivarotana ity. Ny nahagaga, hoy ny mpitandro filaminana, dia tsy nampano sarotra ary toa moramora tamin’ireo olon-dratsy ny nandroba, eny fa na dia teo aza ny fisian’ireo mpiasa marobe tao amin’ilay tobin-dasantsy. Saingy angamba tsy tao an-tsain’ireo mpanafika ny fisiana « caméra de surveillance » teo amin’ilay toerana. Tamin’ny alalan’ny horonantsary voarakitra nandritra ny fandrobana no nahafahan’ireo mpitandro filaminana naminavinana avy hatrany ny mety fisiana firaisana tsikombakomba tamin’ireo mpiasa sasantsany, hoy hatrany ny pôlisy. Nentina natao fanadihadiana tamin’izany ny mpiasa roa, hita ho nanao fihetsika mampiahiahy nandritra ilay fandrobana. Raha ny zava-nisy tamin’io fotoana io tokoa mantsy, nisy roalahy nitondra môtô, nijanona toy ireny hividy zavatra ireny teo amin’ilay fivarotan-dasantsy. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no fotoana fanaovana « versement » tao amin’ilay toby fivarotan-dasantsy, izay toa efa fantatr’ireo olon-dratsy. Vao handeha handrotsaka ilay vola ny mpiasa iray no avy hatrany dia nambanan’ny iray tamin’ireo roalahy tamin’ny basy. Rehefa azony ny vola nitentina teo amin’ny 54 tapitrisa ariary teo dia nivoaka malaky ilay toerana izy, ary hita amin’ilay horonantsary fa toa tsy nosakanan’ireo mpiasa roalahy akory, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nirifatra nitsoaka avy hatrany izy roalahy ireto raha vao azony ny volabe. Tonga teny an-toerana avy hatrany kosa ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-8 raha vantany vao naharay ny fisian’ny fandrobana. Nandritra io fanafihana io dia tsy nitsahatra nandrakitra an-tsary ilay « caméra », ka hita tao avokoa ny fizotry ny fanafihana. Efa fantatra ihany koa ny endrik’ireo mpanafika, raha ny fantatra hatrany ary mbola mitohy ny fanadihadiana.
m.L