- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Hita ilay zaza very, nosamborina ny mpiasa an-trano

Analamahitsy : Hita ilay zaza very, nosamborina ny mpiasa an-trano

Ny zoma lasa teo no nanomboka tsy hita ilay zaza. Nanjavona niaraka taminy koa ny mpiasa an-trano izay niandraikitra ny fitaizana azy. Nanomboka teo dia niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’izy roa. Tetsy an-danin’izany koa anefa dia nampandre ny mpitandro ny filaminana koa ny ray aman-drenin’ny zaza. Nametrahan’ny zandary barazy ny toerana manodidina, indrindra fa ny mivoaka an’Antananarivo. Omaly, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina dia nisy olona izay nanatona ireo mpitandro ny filaminana na ny marimarina kokoa ny zandary teo amin’ny barazin’Ambohimanarivo, tsy mifanalavitra amin’i Talata Volonondry. « Nitolo-batana hatreto ny fandraisanay ny zava-nitranga. Nanatona ny olonay teo amin’ilay barazy ilay vehivavy niaraka tamin’ny zaza. Teo ihany dia notazonina izy » raha araka ny fanazavana azo tamin’ny zandarimaria. Naterina tany amin’ny ray aman-dreniny avy hatrany ilay zazakely, tao amin’ny tokantranon’ireo tetsy Analamahitsy. Ilay mpiasa an-trano kosa nentina avy hatrany teny eny amin’ny biraon’ny zandary misahana ny raharaha momba ny heloka bevava. Isan’ny hofantarina ao anatin’ny fanadihadiana ny tena tanjon’ilay vehivavy tamin’ny nitondrana nitsoaka ny zaza ary koa ny antony nanapahany hevitra ny nitolo-bàtana roa andro taty aoriana. Efa nisy koa ny tranga mitovitovy tamin’ity tetsy Alasora. Nentin’ny mpiasa an-trano ny zaza ary nangatahany vola takalonaina ny ray aman-dreniny. Tsy fantatra mihitsy, fa ny olona izay natokisana ka nanankinana ny menaky ny aina tao an-trano dia  mpiray tendro amin’ny tambajotran-jiolahy. Ny fijirihana ny laharana finday izay nampiasain’ireo olon-dratsy no nahafahana namandrika azy ireo. Ary dia voaporofo, fa tena fakàna an-keriny amin’ny fomba hafakely no nitranga teo. Mila mailo hatrany ny ray aman-dreny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici