Izay tokoa ve ny hoe eny am-baravaran’ny mpamosavy no manoko sikidy, sa ilay hoe nifanena tamin’ny mpaka kitay ? Mpandekana niisa teo amin’ny 10 lahy teo no saika hanendaka tetsy Analamahitsy, ny alahady alina lasa teo. Tsy nampoizin’ireo anefa fa zandary, ary isan’ireo mpiady amin’ny jiolahy mahery vaika mihitsy ireto saika hosakanan’izy ireto. Raha vao nahita ny fihetsik’ireto olon-dratsy, izay avy hatrany dia nanodidina azy ireo mpitandro filaminana avy hatrany dia namoaka basy. Ny an’ireto farany indray no tonga aloha ny amin’ny “aza mihetsika”. Nantsoina avy hatrany ny avy amin’ny Emmo, nanampy azy ireo ka noraisim-potsiny avokoa izy folo lahy. Tonga amin’ilay fitenenana hoe “mpijoko voajoko”. Tato ho ato tokoa izay dia saika nisiana fanandehana sy fanakanana ireo olona sendra mandeha alina foana eny amin’iny faritra Analamahitsy iny. Raha tsy hiteny afa-tsy ilay farany lasa teo, izay tsy maintsy nanapoahana basy mihitsy. Tafatsoaka avokoa ireto andian-jiolahy nanakan-dalàna tamin’izay fotoana izay. Indroa tokoa izay no sendra ny tsy nampoiziny foana ireo olon-dratsy, satria dia mpitandro filaminana no saika nampiharan-dry zalahy ny asa ratsiny. Angamba izay indray vao hilamina iny tanana iny, tamin’ity fisian’ny fisamborana indray mipoaka andian-jiolahy maromaro, mpanendaka sy mpanakan-dalana, nataon’ny zandary ireto.
m.L