Mpamily iray, nitondra taxibe tao amin’ny zotra 162 no karohin’ny polisy fatratra amin’izao fotoana noho fitsoahany nanoloana ny loza nitranga, nateraky ny fiara nentiny ary namoizana ain’olona. Araka ny taratasy fampikarohana azy, izay navoakan’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana dia mitondra ny anarana hoe R. Nathanael ity mpamily ity, 29 taona. Tao Antanety Avaratra Ambohimanarina ny toeram-ponenany taloha saingy mazava ho azy moa fa tsy hita tao intsony ny lehilahy, matoa namoahana izay taratasy fampikarohana azy izao. Zavatra maromaro aloha hatreto no anenjehana azy : fandratrana olona, vono olona tsy niniana natao, ary fitsoahana manoloana ny loza nihatra. Ny polisy dia manentana ireo olona manam-baovao mahakasika ity lehilahy ity, na mahita azy mba hampilaza ireo mpitandro filaminana akaiky indrindra. Nanamarika moa ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa tanana ho tsiambaratelo ny olona manome vaovao. Enjehina araka ny lalàna velona koa ireo minia manafina na miray tsikombakomba amin’izao tsy fahitana azy izao. Raha tsiahivina kely ny zava-niseho. Ny andron’ny 21 jolay lasa teo, araka ny nambaran’ireo olona nanatri-maso dia nanana olana tampoka tamin’ny hisatra ny fiara taxibe nentin’ity mpamily ity, ka namantana sy nifaoka mpandeha maromaro sy mpitondra moto iray. Lalana midina tsy lavitra ny fivarotam-panafody iray teny an-toerana izany. Olona efatra no voafaoka tamin’io fotoana io ary samy naratra avokoa izy ireo. Ilay tovolahy nitondra moto no tena voamafy, ary potika mihitsy moa ilay moto nentiny. Namoy ny ainy fotona fohy monja taorian’ny loza moa izany tovolahy izany. Tamin’io fotoana io kosa, vantany vao nandona olona ilay fiara ary nandriaka ny rà dia nitsoaka toy ny tsy teo, ilay mpamily. Nihevitra ny rehetra fa nandeha namonjy biraon’ny mpitandro filaminana ranamana, natahotra fitsaram-bahoaka, kanefa tsy izay no niseho fa tena tsy hita tany nanjavonana intsony izy, nanomboka teo. Nandray ny andraikiny tamin’ny fanokafana ny fanadihadiana avy hatrany moa ireo polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ka izao atao hazalambo izao ny lehilahy. Maro amin’ireo mpitondra fiara sy kodiaran-droa nandona olona na nanao « accident » tokoa amin’izao no lasa manao fanao ity fitsoahana ity, raha tsy hiteny afa-tsy ilay mpitondra moto Bol d’or omaly tetsy Amboditsiry. Ny tsy tonga ao an-tsain’izy ireny anefa dia izay fihetsika izay indrindra no vao mainka manamafy sy mampitombo ny saziny eny amin’ny Fitsarana.
- M.L