- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Lehilahy iray maty novonoina, voatondro indray ny pôlisy

Analamahitsy : Lehilahy iray maty novonoina, voatondro indray ny pôlisy

Jeannot, 49 taona ary irakiraka ao amina toeram-pisotroana iray eny Analamahitsy. Raim-pianakaviana maty nisy namono ny alin’ny alatsinainy lasa teo, teny amin’iny faritra Analamahitsy iny.

Voatondro ho tompon’antoka tamin’izany, araka ny filazan’ireo olona teny an-toerana ny pôlisy iray miasa eny amin’iny faritra iny. « Mbola tsy fantatra mazava ny tena fahamarinan’izany » hoy ny Tompon’andraikitra voalohan’ny pôlisy ao amin’ny kaomisaria, raha nanontanianay mikasika ity tranga ity. « Miandry ny fitairanana avy amin’ny fianakaviana izahay, hahafahanay manokatra ny fanadihadiana ».

Araka ny fitantarana olona iray akaiky ny fianakaviana, dia niara-nisotrosotro tao amina toeram-pisotroana iray teny an-toerana i Jeannot niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana, ny alahady. Efa fomban’ireto farany no misotrosotro ao amin’io toerana io, raha ny filazan’ity olona tafaresaka taminay ity. Irakiraka sy mpibata entana ao amin’io toerana io ity raim-pianakaviaka namela kamboty dimy mianadahy ity. Tsy fantatra mazava izay niseho tamin’io toerana io fa, nony nandroso niha-maizina ny andro dia niakatra avo ny mari-pàna, natosik’ilay zavapisotro mahery rahateo ihany koa, teo amin’ireo pôlisy sy i Jeannot. Nentina nivoaka ny trano ity lehilahy ity. Tsy tany amin’ny birao anefa, hoy hatrany ny fanazavana, fa tany anelakelan-trano. « Angamba niharan’ny daroka sy vono tany satria dia nivonto ny lohany, ary saika mangana avokoa ny vatany. Nandeha rà ihany koa ny vavany sy ny orony » hoy hatrany ny fitantaran’ity olona ity. « Ny ampitso maraina dia nitaraina marary mafy izy, izay efa tsy afaka nihetsika teo am-pandriana rahateo. Ny antoandro aza dia nihetsika krizy mihitsy ny lehilahy ka nanaitra ny havany, ary nentina haingana teny amin’ny HJRA. Ny harivan’io izy no namoy ny ainy ».

Niteraka resabe teny amin’iny faritra iny mihitsy ity resaka ity taorian’izay. « Voatondro hoe pôlisy no namono. Kanefa nisy ny taratasy nataon’ireo havany izay mialaza fa tsy mbola  fantatr’izy ireo ny namono ny havany, ary tsy tompon’andraikitra amin’izay resaka mandeha izy ireo » hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny filaminana ity. Nanamarika ihany koa izy, fa mahazo matoky ireo mponina. Raha sanatria ka tena mitombina ny feo mandeha dia tsy maintsy hisy ny fandraisana fepetra henjana ho an’izay olona nahavita izany. Na dia mbola tsy azo antoka loatra toa izany tokoa aza ny tao ambadik’ity fandratrana nitarika fahatesan’olona ity, dia nambaran’ity olona nitantara ny zava-niseho ity, fa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ireo mpitandro ny filaminana teny an-toerana. Omaly ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity no nalevina. Inoana fa tsy hipetra-potsiny ireo tompon’andraikitry ny filaminana isan-tsokajiny avy manoloana izao tranga izao. Tranga iray indray manampy ireo efa marobe, amin’ny fihoaram-pefy sa fanararaotam-pahefana ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny madinika tsy manam-basy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici