- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Lehilahy iray voatrobaky ny tavoahangy

Analamahitsy : Lehilahy iray voatrobaky ny tavoahangy

Ny alin’ny asabotsy, lehilahy iray no fantatra fa nisy nanindrona tamina vakin-tavoahangy tao anaty karaoke. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa teo am-pihirana iny indrindra izy no nisy namely. Izay tena antony marina aloha tsy mbola fantatra. Ny resaka re no hilazana fa toa hoe efa nisy lonilony tany ivelany tany ka izay no namelezana azy. Nikoropaka ny rehetra, ka mba hisoroana izay mety ho sakoroka dia navoaka ary nentina haingana namonjy hopitaly ilay naratra. Teo amin’ny tendany sy ny sandriny no voa. Feno rà ny pataloa nanaovany.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser