Tamin’ny alatsininy teo, nisy tranga hafahafa teny amin’ny faritra Analamahitsy. Lehilahy iray nandeha taxi-be avy any Ambatobe, no nikoropaka tao anaty fiara. Nilaza izy io fa misy bibilava ao anaty pataloany ary manaikitra azy. Samy gaga ny iray fiara ary farany moa dia navoakan’ny resevera izy. Teo amin’ny toerana malaka tsy lavitra ny tsenan’ny cité, mbola niteniteny hatrany ilay olona ary niangavy tamin’ireo nahita azy hanome hety hanetezany ny lohan’ilay biby. Tsy nisy afaka nanome izany anefa. Afaka fotoana fohy, lasa nandeha nihazo ny làlana midina nianavaratra izy ary tsy fantatra izay niafarany tany. Ity zavatra niseho ity dia fitantaran’ny olona maromaro teny Analamahitsy. Rehefa nonontaniana anefa, dia samy nilaza fa tsy nisy nahita ilay biby.
r.s.