Vonon-kamono. Efa tsy vitan’ny resaka sinto-mahery sy harom-paosy tsotra intsony amin’izao no ataon’ireo mpanendaka fa efa tena vonona ny hamono ho faty izay sendra azy izy ireny. Toy ity nitranga tetsy Analamahitsy ity, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Lehilahy iray mantsy no naratra mafy rehefa avy notrobaran’ireo olon-dratsy ny antsy ny kibony. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina teo no nitrangan’izany, raha maika handeha hamonjy fodiana avy nahavitana ny lahasany iny ity rangahy ity. Roalahy izy ireo raha ny fanazavana azo no nanao ny asa ratsy. Ny iray mody nanelingelina teo aloha. Ilay namany kosa avy hatrany dia tsy nihambahamba nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanany. Tsy nahaantso vonjy akory ity lehilahy ity fa avy hatrany dia nitolefika moramora tamin’ny tany. Tao anatin’ny indray mipi-maso koa, araka izany, no nangalan’ireo olon-dratsy ny sakaosy teny aminy sy ny nisavàn’izy ireo ny akanjo. Ary nanjavona toy ny tsy teo izy roalahy. Nifamonjena nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana moa ity rangahy ity izay efa tsy nahatsiaro tena intsony noho ny habetsaky ny rà very. Fa tranga iray mitovy amin’izay ihany koa no niseho teny Analakely. Tovovavy roa avy namonjy alim-pandihizana indray no lasibatr’ireo olon-dratsy. Naratra voavely hazo teo amin’ny lohany izy roa vavy ireto, taorian’ny nahafan’izy ireo niantso vonjy. Mazava ho azy fa vitsy ireo izay mahita ny tranga toy itony no sahy manavotra ireo olona niharan’izany. Tahotry ny ainy sy ny fananany ihany koa, ka dia vitan’ny mijery fotsiny. Hany ka manararaotra izay tsy izy ireo olon-dratsy.
m.L